|
|
|
|

Entry (1/3)1  alakamisy
Part of speech  2  noun
Vocabulary  3  Time
Explanations in Malagasy  4  (Arabo El-khamis, na Al-chamisu: fahadimy; Soehily Alhamisi).

Alakamisy no andro voalohany tamin'ny razana; andron'Andriana, fisantarana ny zavatr'Andriana; andro fidin'ny Andriana hisehoana amin'ny ambanilanitra. Voalaza ho tenin-dRafohy, mpanjakan'Alasora, sahabo ho 400 taona lasa izay, ny hoe: "Anao ny Alakamisy, Andriamanelo, fa Andriamatoako ianao, ka ianao no manjaka voalohany". Alakamisy no nisehoan'Andriamanelo; Alakamisy no nihadiana ny hady voalohany, teo Alasora. Dia hita tantara toy izany: samy nanaja ny Alakamisy, Ralambo, Andrianjaka, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina.

Misy toy ny petaka toko na tandrifin-drahona ihany ny an'ny ntaolo: nalainy ara-bakiteny ny hoe Alakamisy: maka (malaka) sy misy: andro tsara, andron'Andriana, mampisy fanambinana; ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao, alaina na santarina Alakamisy; sady andro ratsy koa anefa: mampisy loza -- fady dia fady ny mandevina Alakamisy, mbamin'ny miala saona, ny mamangy malahelo. Ny Alahady koa tsy fandevenana -- ankevitry ny noho ny teny hoe hady, ka mampihady fasana lava. Ny T. dia be no mifady Alakamisy, tsy miasa.

Ny olona teraka Alakamisy dia natao hoe Ikamisy, na Rakamisy, Andriamisy, Andrianisa (?) (isa, voalohany), raha vahoaka; fa ny andriana kosa: Ramisa, Ramisavola, Ramisamanjaka, Ramisarivo. -- Ny faditry ny andro Alakamisy dia ny akorandriaka. Raha ohatra la Alakamisy no ahatsinanan'ny Alahasaty, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa tsy manja mena amin'io andro io. -- Dia ao ilay fady, tandreman'ny ntaolo, tsy atao amin'ny andro ahaterahana: tsy mihety, tsy manala hoho. [1.10]5  andro fahadimy amin'ny herinandro. Araka ny hevitry ny Ntaolo: tononandro tsara fa manantena hisy; taloha: fivoahan'ny Andriana sy fanantarana ny zavatr'Andriana, fanantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran'ny tafika sady fivoahany; andro tsara ny alakamisy ka tsy mba nandevenana fa raha misy maty, dia miandry zoma alevina. [1.1]

Explanations in English  6  Thursday. [Ar. Al-chamisu - Fifth.] [1.2]7  Thursday [1.7]
Explanations in French  8  jeudi [1.3, 1.8, 1.5, 1.14]9  Amin'ny alakamisy (À jeudi) 10  Alin'ny alarobia hifoha alakamisy (La nuit du mercredi) [1.5]11  jeudi [ar.: Kamsa, cinq, al-Kamis, jeudi] [Tanala] [1.6]
Explanations in Italian  12  giovedi [1.18]
Explanations in German  13  Donnerstag. Amin'ny alakamisy faha...: am Donnerstag, dem/den... Ny alin'ny alarobia hifoha alakamisy: die Nacht von Mittwoch auf Donnerstag. [1.56]
Examples  14  Tamy ny andro alakamisy 1 Alahamady, 1 July 1886, nonitokanana ny trano fiangonana ao Anjanahary. [2.59]
15  Randriampeno dia nangataka mba hatao amin'ny iray volan'ny alakamisy ho avy, ary ny ray aman-dreniny nanaraka izany; [2.324]
Toponyms 
Hyperonym 
Proverbs  17  Proverbs containing the word alakamisy
Tables and plates  18  Measure of Time

Entry (2/3)19  alakamisy
Part of speech  20  noun
Vocabulary  21  Botany: tree
22  Health
Explanations in Malagasy  23  hazo anaovana fanafody Crateva excelsa. 24  Zavamaniry azo atao ody tazo ny fakany, manampy ny kininina(Burasaia nigrescens). [1.1]
Explanations in English  25  a tree used in house-building. It is said to be brought from the forest only on Thursdays, hence its name. Chips of the wood are used as a remedy for colic and indigestion. 26  Probably the same as the preceeding. Used by the Sakalava as a medecine for pains in the head. [1.2]27  Burasaia crateva [2.515]
Explanations in French  28  arbre dont on fait des remèdes. [1.3]29  nom d'une plante (?), écorce et feuilles utilisées en tisane contre les coliques. [Tankarana] [1.19]30  (de l'arabe al - chamisu = le cinquième, désigne le 5e jour de la semaine, c'est-à-dire le jeudi). C'était le jour réservé à honorer le souverain, les gens de caste noble, et considéré comme faste. Les plantes qui portent ce nom sont considérées comme de puissants fortifiants, donnant le pouvoir moral de surmonter les obstacles. Plusieurs d'entre elles sont effectivement riches en alcaloïdes. Ce sont principalement : [Bezanozano] 31  Schismatoclada psychotrioides Baker (Rubiaceae). 32  Euodia chapelieri Baillon (Rutaceae). 33  Crateva excelsa Bojer (Capparaceae). 34  Burasaia nigrescens Capuron Nom. In Sched.(Menispermaceae). 35  Crotalaria cytisoides Roxb. ex DC. (Fabaceae). [1.196]
Examples  36  alakamisy, asaina ny fakany, ary sotroina amy ny rano [2.48]
Scientific name 

Entry (3/3)40  Alakamisy
Part of speech  41  name (toponym)
Vocabulary  42  Geography: towns
Explanations in Malagasy  43  Raha nanorina ny tsena voalohany teto anivon'ny riaka Andrianampoinimerina dia ny tsena Alakamisin' Ambohimanga no voalohany indrindra, dia Anjoman'Antananarivo no faharoa, Asabotsin'i Namehana no fahatelo, Alahadin'i Lanifasana no fahefatra, Alatsinainin'Andranovintana (Alatsinainin'Ambohipoloalina ankehitriny) no fahadimy, Talatan'i Volonondry no fahenina, Alarobian'Amboanjobe no fahafito -- ireo tsena fiton'Andrianampoinimerina ireo no toy ny tsangambaton'ny filaharan'ny andron'ny ntaolo. [1.10]44  anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Explanations in English  45  the place where Thursday's market is held. [1.2]
Explanations in French  46  les marchés du jeudi: l'emplacement du marché [1.3]47  marchés du jeudi. [1.5]
Examples  48  Ny orimbato hoe Manganiha ny eo avaratr' alakamisy, sy ny orimbato eo Antsahamasina [2.48]
Elementary words  49  alakamisy
Tables and plates  50  Full list

Anagrams  51  Alakamisy, alakamisy, Alakamisy, alakamisy

Updated on 2024/08/17