|
|
|
|

Entry1  Avaradrano
Part of speech  2  name (toponym) [Full list]
Explanations in Malagasy  3  [1.10#78.450] Andriamasinavalona, izay nahavory voalohany an' Imerina, dia nizara azy ho efa-toko. ka Avaradrano no nataony filaharana voalohany (1675-1710). -- Tamin' ny andron' Andrianampoinimerina dia nitatra ny faritr' Imerina, ka nozarainy enim-toko izy, dia (1) Avaradrano, (2) Vakinisisaony, (3) Marovatana, (4) Ambodirano, (5) Vonizongo, (6) Vakinankaratra. -- Mizara telo indray Avaradrano, dia: (a) Tsimahafotsy, Ambohimanga no renivohiny; (b) Tsimiamboholahy, Ilafy no renivohiny; (d) Mandiavato, Ambohidrabiby no renivohiny. Andranobevava eo atsimon' Analamahitsy, izay rano be mangeniheny tany aloha, no farany atsimo amin' Avaradrano, ka izany no naha-Avaradrano azy...
Explanations in French  4  [1.11] le plus célèbre des six territoires de l'Imerina d'où est sorti celui qui devait porter le nom d'Andrianampoinimerina et dont les trois bourgs principaux furent à cette époque Ambohimanga (Tsimahafotsy), Ilafy (Tsimiamboholahy) et Ambohidrabiby (Mandiavato). Le territoire est situé sur la rive nord de la rivière Andranobevava, d'où le nom qu'on lui a donné.
Examples  5  [1.336#] Inona no mahalatsaka an'avaradrano noho Antananarivo?
6  [2.59#] koa raha resiny avaradrano, dia baboiny to'izany koa.
7  [2.298#] Novonoina ireo vehivavy tamin'avaradrano nisehoan'ny kabary.
Vocabulary  8  Geography: countries, people
Elementary words  9  avaratra, rano
Analogs  10  imerinaenintoko, vakinisisaony, marovatana, ambodirano, vonizongo, vakinankaratra
Proverbs  11  Proverbs containing the word Avaradrano

Updated on 2024/12/12