Entry (1/3) | 1 dia |
Part of speech | 2 conjunction [Full list] |
Explanations in Malagasy |
3 Atao anelanelan' ny teny miverina indroa mba ho fanamafisan-kevitra: Soa dia soa 4 Mitovy amin' ny sy na ary: Nitsangana izy dia niteny 5 Kian-teny fampiasa: a) Mba hampitohy fehezan-kevitra roa raha lasa aloha ilay fehezan-kevitra miankina: Nony tonga izy dia niteny hoe.., b) mba hampitohy indraindray ny teny enti-milaza amin' ny teny lazaina: Rakoto dia mpianatra mazoto [1.1] |
Explanations in English |
6 probably the same as dia: step, and used originally to indicate the next step in the narrative, etc. and, and so, then, even, in the next place. It is used to complete phrases, as: Ary nataoko, dia vita izy (And I did it, and so it was completed) 7 It is often preceded by ka, as: Natsoinao aho, ka dia tonga (You called, me and so I have come) 8 It is often a mere elegancy of speech. It is also used between two words, making them emphatic, as: Tsara dia tsara, very good; nataoko dia nataoko (I did it again and again, or, I really did it [1.2] 9 of sentence inversion 10 in a series of verbs; also used for emphasis, as: tsara dia tsara: very good [1.7] |
Explanations in French |
11 qui marque l'inversion de la proposition; 12 d'une série de verbes ; sert aussi à renforcer le sens, ex. : tsara dia tsara: très bon [1.8] |
Compound words |
|
Zoonyms |
|
Entry (2/3) | 18 dia |
Part of speech | 19 adjective |
Explanations in Malagasy |
20 Enti-milaza: Olona mivelona any anaty ala na any an' efitra ka tsy mahalala ny fomban' ny olona mandroso: Mbola misy olona dia, hono, amin' itỳ faritany itỳ 21 Biby na zavamaniry tsy ompiana na ambolena fa velona na maniriniry ho azy fotsiny eny: Mahafinaritra ahy itỳ voninkazo dia itỳ ~ Tonga dia ilay sakanay [1.1] |
Explanations in English |
22 wild, roving, savage [Provincial]
[1.2] 23 wild [1.7] |
Explanations in French |
24 sauvage [1.8] |
Other spellings | 25 dy |
Compound words |
|
Phytonyms |
|
Entry (3/3) | 36 dia |
Part of speech | 37 noun |
Explanations in Malagasy |
38 lalana naleha [Taisaka]
[1.78] 39 Ny halavan' ny felatongotra: Lava dia ny lehilahy noho ny vehivavy 40 Halavan-drefy miantomboka amin' ny voditongotra ka miafara ery amin' ny loharantsana (irain-jehy sy voatondro roa na ampahatelon' ny metatra eo ho eo): Telo dia ny halavan' itỳ hazo fisaka itỳ 41 Fandeha ataon' ny olona na ny biby amin' ny fampifandimbiasana ny tongotra roa mifanongontsongona hatrany: Hafaingano ny dianao fa diso fotoana isika 42 Fandehahana, fivahiniana: Dia lavitra izay nataonay androany izay 43 Soritra navelan-javanandalo: Misy diam-pihogo ny volony 44 Andiana, antokon' olona na biby miaramandeha: Nozaraina natao telo diany miaramila [1.1] 45 famindra, andiany: dia raika [Sihanaka] [1.78] 46 lafatra [1.13] |
Explanations in English |
47 a step; a journey [1.2, 1.7] 48 a footstep, a mark. [Probably connected with Swa. njia, or ndia, a path, a road] [1.2] |
Explanations in French |
49 voyage [Taisaka]
[1.82] 50 La longueur d' un pied [2.415] 51 un pas; voyage [1.8] 52 trace, empreinte [1.13] |
Morphology |
|
Derivatives |
|
Compound words |
|
Phytonyms |
|
Toponyms |
|
Titles |
65 Ny Daty Malaza : na ny dian' i Jesosy Kristy teto Madagasikara (Rabary Jean-Joseph) 66 Ny diam-penin' ny Avana Ramanantoanina (Rakotonaivo François) 67 Ny diantsika olombelona (Doriguzzi A.) |
Anagrams | 68 adi, ady, -day, day, dia |
Updated on 2023/06/05 |