|
|
|
|

Entry (1/2)1  dihy
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  [1.1] fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana
Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany
Explanations in English  4  [1.2] a dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka
5  [1.7] a dance, dancing
Explanations in French  6  [1.3#102, 1.8] danse
7  [1.3#102] sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau
le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point
Examples  8  Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny. [2.245]
9  Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy? [2.5]
10  Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy. [2.313]
Derivatives 
11  Active verbs :
12  Passive verbs :
13  Relative verbs :
14  Names :
Synonyms  15  danise, tsinjaka
Analogs  16  tsinjaka, sahoby, totorebika, tsipisandry, velatanana, dihy soroka, dada, jaiko, soamaroroka, tsaramiera, soratra, afindrafindrao, salegy
Compound words 
Titles  29  Dihy (Rabearivelo Jean-Joseph)
Proverbs  30  Proverbs containing the word dihy

Entry (2/2)31  Dihy
Elementary words  32  dihy
Part of speech  33  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  34  Literature: poems
Author  35  Rabearivelo Jean-Joseph
Full text 
36  Ritsodritso-baliha telo,
37  gobogobok' ampongatapaka,
38  lokanga dimy indray dinidy
39  sy sodin-taolana tsara loaka.

40  Io misonenika Ratovovavy,
41  miakanjo manga marain-droa !
42  Ny lamba valaka mavokely;
43  raozy gasy ao anaty volo.

44  Tsoakam-bero sa bararata
45  mihararetra any amoron' ala ?
46  Sidintsidin' ny andro meva,
47  sa angidi-mangan' ny eny an' ony?

48  Io misonenika Ratovovavy,
49  moana tahaka ny Fiadanana;
50  valiha telo, ampongatapaka,
51  lokanga, sodina no indray henony.

52  Fa injay ny molony mangovingovitra,
53  ipololoran'ny nofinofy;
54  tsy toha intsony ka zary kalo,
55  dia zary hira nony efa avy eo.
56  Mba hontsa koa Ravaviantitra,
57  ka io mirotsaka mba handihy,
58  mitari-joro ny ila sikiny,
59  dia toy ny androny mirefarefa.

60  Tsy kalokalo na hirahira
61  no mampifelana izato endriny,
62  ranomaso no mamonto azy,
63  mahatsiaro ny maty rehetra...

64  Mahatsiaro... Toa fenomanana
65  efa ho rendrika tsy ho hita.
66  inty mihintsana ny lohataona
67  ka zary fasana ravi-maina...

68  Dia mifanojo ny loha tondro,
69  ny tondro mihantsin-dRatovovavy
70  sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra,
71  samy tanteraky ny hazavana.

72  Mifanojo ka toa tetezana
73  ifanohizan' ny alin-kely
74  efa foy ery an-tendrombohitra,
75  sy ny andro maneno akoho !

Anagrams  76  dihy, Dihy, hidy

Updated on 2024/11/25