|
|
|
|

Index

Proverbs : tsaratsara

Proverb 1Ikotokely miandry ondry : raha tsaratsara ny sakafo, dia sady maka kitay no miandry ondry, fa raha ratsiratsy ny sakafo, ny ondry aza ahina ho very. [2.558 #1395]
Ikotokely miandry ondry : raha tsaratsara sakafo, dia sady maka kitay no miandry ondry ; ary raha ratsiratsy sakafo, ny ondry aza no ahina ho very. [2.415 #555, 2.653 #1110]
French translationIkotokely est gardien de brebis : si on lui donne un bon repas, non seulement il garde les brebis, mais il ramasse la provision de paille à brûler ; mais quand il mange mal, il ne peut même pas garder les brebis. [2.415 #555]
French interpretationSe disait des maîtres avares et cruels qui donnaient à leurs esclaves une nourriture insuffisante ; sens général : pour bien travailler, il faut être bien traité. [2.415 #555]

Proverb 2Ilay mitsabo marary malain-kanan-dratsy : ambaraky ny efa ho faty ka mbola tsaratsara ihany. [2.415 #2794, 2.653]
Ilay mitsabo marary malain-kanan-dratsy : efa ho faty ka mbola tsaratsara ihany. [2.558 #1409]
French translationCelui qui soigne des malades et n'aime pas à en voir un qui se porte mal : même lorsque le malade va mourir, il dit toujours qu' il va assez bien. [2.415 #2794]
French interpretationSe disait des gens qui disent toujours que cela va bien. [2.415 #2794]

Proverb 3Raha hiteny tsy inoan' ny olona, ny misarom-bava no tsaratsara kokoa. [2.558 #3574]

Proverb 4Raha hitsangana tsy mahay, tsy mahaleo ny misonanika am-pitoerana ; ary raha hiteny tsy hinoan' ny olona, ny misarom-bava tsaratsara kokoa. [2.415]
Raha hitsangan-tsy mahay, tsy mahaleo ny misonenika am-pitoerana; ary raha hiteny tsy hinoan’ ny olona, ny misarom-bava tsaratsara kokoa. [2.653 #2656, 2.974]
French translationS’il faut se lever pour ne rien dire, mieux vaut demeurer béatement assis ; et s’il faut parler pour ne pas être écouté, mieux vaut rester la bouche couverte du lamba. [2.974 #208]
Un ignorant dans l' art de la danse, qui se lève pour danser ne vaut pas celui qui glisse doucement tout en restant sur place ; celui qui ne doit pas faire écouter son discours, ferait mieux de se couvrir la bouche. [2.415 #3607]

Proverb 5Raha rafozana tsy mahomby, ny saram-pamaky no tsaratsara kokoa. [2.415 #1471, 2.653 #2707]
Raha rafozana tsy mahomby, ny zaram-pamaky no tsaratsara kokoa. [2.558 #3645]
French translationQuand les beaux-parents ne dominent pas, la viande donnée au maître de la hache semble meilleure. [2.415 #1471]

Index