|
|
|
|

Entry (1/3)1  raha
Part of speech  2  conjunction [Full list]
Explanations in Malagasy  3  [1.1] Mitarika fehezan-kevitra izay milaza fepetra iankinan' ny fahatanterahan' ny fehezan-kevitra iray hafa: Raha mihira ianao dia homeko vola
Explanations in English  4  [1.2, 1.7] when, if
5  [1.2] as for, since
6  [1.7] when and if
Explanations in French  7  [1.3#498, 1.8] si, quand
8  [1.3#498] lorsque
Examples  9  raha sakafo no manimanitra, mazoto homana ny mpihinana. [2.470]
Analogs  10  fony, nony, rehefa
Compound words 

Entry (2/3)47  raha
Part of speech  48  noun
Explanations in Malagasy  49  [1.78] [Tambahoaka, Taisaka, Bezanozano, Sihanaka, Tanala] zavatra
50  [1.78] [Tanala] anona
51  [1.1] Teny fahita indrindra any anindran-tany entina hilazana fanahy tsy fantatra, izay matetika manimba na mety hanimba: Misy raha ao anatin' io rano io
Teny ilazana izay tsy tiana na tsy hay holazaina mazava tsara: Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha
Explanations in English  52  [1.2#488] [Provincial] for raharaha and zavatra
Explanations in French  53  [1.3#498] [Provincial] chose, comme zavatra
54  [1.13] substance
55  [1.405] [Sakalava-Mayotte] quelque chose, chose, objet
Compound words 
Titles  75  Ny Gazety ao Raha ()
76  Raha (Ratany Samuël)
Proverbs  77  Proverbs containing the word raha

Entry (3/3)78  Raha
Elementary words  79  raha
Part of speech  80  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  81  Literature: poems
Author  82  Ratany Samuël
Full text 
83  Raha sendra midona ny voalohan' orana,
84  Nefa ny ambiaty tsy mbola mitsiry ;
85  Raha vorona ompiana no tapa-patorana,
86  Kefa ny mpiompy tsy rototra firy;

87  Raha sendra ka ravan-tadio ny akany,
88  Kanefa tsy taitran' izany ny fody ;
89  Raha zaza tinaiza no re mitomany,
90  Ny reniny anefa tsy mahalala mody ;

91  Raha fo te-hiverina vonon-kifona,
92  Kinanjo mitodika voatsipi-drora;
93  Raha toa fanekena sendra midona,
94  Kanefa voatifitry ny harika mora ;

95  Raha volana maro no niandry fitia,
96  Kanefa tsy misy minitra hifaliana;
97  Raha toa efa tony ny rano maria,
98  Ny lakana anefa tsy manim-podiana;
99  Raha sendra mba taitra ny fo nanantena,
100  Kanefa ny tiana vao maika matory ;
101  Raha tiana ho tanteraka ilay fanenkena,
102  Kanefa voavadiky ny andro mahory;

103  Raha sendra mitsiky maraina ny lisy,
104  Kanefa tsy hita eo akaiky ny lolo
105  Nandrasako ho avy , kinanjo tsy nisy
106  Tandindona akory tonga hisolo

107  Ahoana ? Inona ary ny anton' izany ?
108  Miangatra ve ny lalàn' ny tany ?

109  Tsy izany tsy akory fa izao no efa didy,
110  Raha ny efa mivadika indray no mivalo,
111  Dia miova ny lahatra sy ny safidy
112  Ka lasa ho tompony ilay natakalo.

113  Raha toa mpisompatra indray no ho marina,
114  Izay no atao hoe : Fitia nangalarina;
115  Raha ny efa tsy tia no tiavina indray,
116  Aleo dia mamoy azy mandrakizay.

Anagrams  117 

Updated on 2025/01/21