|
|
|
|

Index

Proverbs : fitady

Proverb 1Aza fatra-pitady ny manganana, fandrao sendra ny mangidy tsy telina. [2.415]
Aza fatra-pitady ny manganana, tohatra ny mangidy tsy ho telina. [2.415]
fatra-pitady ny manganana ka sendra ny mangidy tsy telina. [1.1]
fatra-pitady ny manganana, ka tohatry ny mangidy tsy ho telina. [2.653 #946, 2.974 #242]
fatra-pitady ny manganana, ka tohatry ny mangidy tsy telina. [2.558 #1151]
Ny fatra-pitady manganana ho sehatry ny mangidy tsy ho telina. [2.558]
Malagasy interpretationFatra-panihika ka nihatra amin' ny fotaka; nitady tombony ka natombiny; nitady sitrany ka nasitriny. [1.1]
Indraindray ny fikatsahana hahazo baba na tsaratsara kokoa dia vao mainka mety hampahita angano. [1.1]
Loza raha hitady ny mangidingidy ka nahita ny tena mangidy nampivivy, izany hoe loza raha hitady tombony, nefa fahavoazana indray no hita. [1.1]
French translationNe cherchez pas trop les douceurs de la vie facile de peur de tomber sur une amertume insupportable. [2.415 #3891]
Rechercher avec trop d' avidité ce qui est doux, et trouver ce qui est amer et impossible à avaler.. [2.165]
Trop chercher l'exquis; et rencontrer la dernière amertume. [2.974 #242]
French interpretationSe disait de ceux qui cherchaient ce qui était le plus facile à la corvée et dans les travaux communs, et qui rencontraient tout le contraire. [2.415 #3891]

Proverb 2Fatra-pitady fitia mba hanampy, ka manary ny mby an-koditra. [2.165 #1673]
French translationRechercher plus d' affection, et ne pas faire de cas de celle qu' on possède déjà. [2.165]

Proverb 3Fatra-pitady fitia mba hanampy ka sehatry ny fitia saikiny. [2.558 #1136]

Proverb 4Fatra-pitady ny hofany, ka manary ny tenany be. [2.165 #1671]
Fatra-pitia ny hofany ho afaka, ka very ny tenany be. [2.415 #37, 2.653 #945]
Fatra-pitia ny hofany ka very ny tenany be. [2.558 #1154]
French translationSe préoccuper trop de sauver la queue et perdre le corps. [2.415 #37]
Trop rechercher la queue et jeter tout le reste du corps; pourtant le corps lui-même est plus important. [2.165]
French interpretationIl s' agit de la queue du mouton malgache qui est grosse et grasse et constitue, pour certains, un morceau délicat;. [2.165]
Trop de zèle pour l' accessoire fait parfois perdre le principal. [2.415 #37]

Proverb 5Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay homana olona. [2.165 #1672]
Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay mihinana olona. [2.558 #1152]
French translationDésirer beaucoup trouver un pays où il n' y ait pas de tombeaux (où l' on ne meure pas), et arriver dans un pays de cannibales. [2.165]

Proverb 6Fatra-pitady ny tsy hita fa manary ny hita maso. [2.558 #1153]
Fatra-pitady ny tsy hita, ka manary ny hita maso. [2.974 #243, 2.653]
Fatra-pitady ny tsy hita, ka manary ny mby an-tanana. [2.653]
French translationTrop rechercher l’idéal, et perdre le pratique. [2.974 #243]

Index