|
|
|
|

Entry (1/4)1  tany
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  [1.1] Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly
Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka
Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina
Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana
Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo
Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra
Explanations in English  4  [1.7] earth, soil, land; a country, a nation
Explanations in French  5  [1.8] terre, sol; pays, nation
6  [1.13] terre, sol, terrain
Vocabulary  7  Geography: (in general)
Analogs  8  tanimanga, tanimangampoza, taniravo
Compound words 
Zoonyms 
Phytonyms 
Ethnonyms 
Toponyms 
Titles  222  Fampandrian-tany sy tantara maro samy hafa (Rainianjanoro)
223  Mifalia ny tany mamiko (Rakoto Odeam)
224  Mitaraina ny tany (Andry Andraina)
225  Ny fihavanana eo amin' ny firaisamonina sy ny tany ary ny fanjakana : Haifomba ho an' ny kilasy faha-6 sy faha-5 (Ramasindraibe Paul)
Proverbs  226  Proverbs containing the word tany

Entry (2/4)227  tany
Elementary words  228  t~, any
Part of speech  229  adverb, past form [Full list]
Explanations in Malagasy  230  [1.1] Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina
Examples  231  na tany aho na tsy tany
tsy ho kely be nenina moa hianao?
[2.131]
Compound words 

Entry (3/4)236  tany
Part of speech  237  adverb [Full list]
Explanations in Malagasy  238  [1.1] Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho

Entry (4/4)239  tany
Part of speech  240  noun
Explanations in Malagasy  241  [1.78] [Bara] [tañy] tomany, fitomany, fitomaniana
242  [1.78] [Sihanaka] [tañy] ranomaso, tomany
243  [1.78] [Tanala] [tañy] tany, fitomaniana
244  [1.1] ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa
Explanations in French  245  [1.3] les larmes, les pleurs, les gémissements
regret
246  [1.405] [Sakalava-Mayotte] [tañy] pleur
Derivatives 
247  Passive verbs :
Synonyms  248  tañe
Proverbs  249  Proverbs containing the word tany

Anagrams  250  anty, atin, itan, nita, ntia, tany, tian

Updated on 2025/02/02