|
|
|
|

Index

Proverbs : varatra

Proverb 1Aza atao hazo lazoin’ ny varatra: malazo mbamin-draviny, maina mbamy ny vatany, ary fohatra mbamy ny fakany. [2.653 #349]
Aza atao hazo lazoin' ny varatra : malazo mbamin-draviny, maina mbamin' ny vatany, ary fohatra mbamin' ny fakany. [2.415 #2586]
Aza atao hazo lazoin' ny varatra : malazo mbamin' ny raviny, maina mbamin' ny vatany, ary fohatra mbamin' ny fakany. [2.558 #400]
French translationQu'on ne le traite pas comme l' arbre flétri par la foudre : les feuilles sont fanées, le tronc desséché, les racines abîmées. [2.415 #2586]
French interpretationIl faut traiter les gens avec ménagements. [2.415 #2586]

Proverb 2Basy atifi-baratra ka ny kely indray no maninana ny lehibe. [2.558 #852]
Basy atifi-baratra, ka ny kely indray no mitifitra ny lehibe. [2.165 #1342]
Basy atifi-baratra : kely mihaika ny lehibe. [2.415]
Basy atifi-baratra: ny kely indray no kely mihaika ny lehibe. [2.653 #739]
Basy atifi-baratra: ny kely indray no mitifitra ny lehibe. [2.653 #739, 2.974 #31, 2.415]
French translationFusil avec lequel on tire sur la foudre : c' est un petit qui tire sur un grand et le provoque. [2.415 #760]
Fusil qui tire vers la foudre; c’est le petit qui provoque le grand. [2.974 #31]
Un fusil servant à tirer sur la foudre: c' est le plus petit qui s' attaque au plus grand. [2.165]
French interpretationLes petits ne doivent pas s' attaquer aux grands. [2.415 #760]

Proverb 3Izaho tsy avo feo noho ny varatra, ary be feo noho ny rohona. [2.558 #101]
Izaho tsy avo feo noho ny varatra, ary tsy be feo noho ny rohona. [2.653 #1165]

Proverb 4Lasa ny varatra vao mitsako havozo. [2.558 #1752]

Proverb 5Manam-bady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony; manam-bady ny fohy, mitahiry tapak’ amponga; manam-bady ny lozabe, mitahiry varatra an-drano. [2.653 #1500]
Manam-bady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony; manam-bady ny fohy, mitahiry tapak' amponga; manam-bady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano. [2.165]
Manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony ; manambady ny fohy, mitahiry tapak' amponga ; manambady ny loza, mitahiry varatra an-trano. [2.415 #1205]
French translationCelui qui épouse une femme grande, n' a plus besoin d' emprunter une échelle; celui qui épouse une femme courte, a un tambour sous la main; celui qui épouse une femme violente, a la foudre chez lui. [2.165]
Épouser une femme grande, c' est n'avoir plus besoin d' emprunter une échelle ; épouser une petite, c' est conserver la moitié d' un tambour ; épouser une méchante, c' est garder la foudre dans sa maison. [2.415 #1205]

Proverb 6Tafondro natifi-baratra, ka tafahaona samy loza. [2.165 #316]
Tafondro natifi-baratra, ka tafahoan-tsamy loza. [2.558 #3969]
Tafondro natifi-baratra : tafahaon-tsamy loza. [2.415 #3517, 2.653 #2954]
French translationCanon qu' on tire sur la foudre : deux choses terribles se rencontrent. [2.415 #3517]
Un canon tirant contre la foudre, c' est la rencontre de deux calamités. [2.165]
French interpretationSe disait de la rencontre ou de la lutte de deux hommes puissants. [2.415 #3517]

Proverb 7Taona vao misasaka ka arahaba nieren' ny varatra! [2.653 #3038, 2.558]

Proverb 8Valom-baratra. [2.415 #6444]
French translationRepentir occasionné par le tonnerre. [2.415 #6444]
French interpretationRepentir contraint, tout extérieur, et sans intention de se corriger. [2.415 #6444]

Index