|
|
|
|

Index

Proverbs : mitsindroka

Proverb 1Akoholahy kelin' Antananarivo : mivoaka maraina, fa tsy mitsindroka. [2.415 #2989, 2.653 #61]
French translationPetit coq de Tananarive : il sort de bonne heure mais ce n' est pas pour becqueter. [2.415 #2989]
French interpretationSe disait des jeunes débauchés de la ville qui sortaient de bonne heure, mais ce n' était pas pour travailler. [2.415 #2989]

Proverb 2Akoholahin' an-tanantanana : mivoaka maraina fa tsy mitsindroka. [2.558]

Proverb 3Ataonao ho kibobo tsy enina akotry va aho, no hitsindroka vato kely ? [2.653]

Proverb 4Aza madio fitafiana fa mitsindroka am-pihinanana toa vorompotsy. [2.558 #461]
Aza madio fitafiana, ka mitsindroka am-pihinanana ohatra ny vorompotsy. [2.165]
Madio fitafiana hoatry ny vorompotsy, kanefa mitsindroka am-pihinanana. [2.415 #4510]
Madio fitafiana ohatra ny vorompotsy, kanefa mitsindroka am-pihinanana. [2.653]
Madio fitafiana toa vorompotsy, nefa mitsindroka am-pihinanana. [2.558 #1825]
French translationAvoir une belle robe comme l' oiseau blanc vorompotsy et cependant ramasser des parcelles avec la main. [2.415]
N' ayez pas de beaux habits tout en ramassant votre nourriture à terre, comme l' oiseau blanc (fausse aigrette). [2.165]
French interpretationSe disait des gens mal élevés. [2.415]

Proverb 5Malaza ho rain’ akoholahy, ka mitsindroka am-body laona. [2.653 #1458]
Malaza ho rain' akoholahy ka no mitsindroka am-bodi-laona! [2.558 #1933]

Proverb 6Nahoana re hianao no mandady hajaina, mitsindroka andrianina, mandoa homan-tsira ? [2.415 #652, 2.558 #176, 2.653]
Ny haja maha-andriana, ka aza mitsindroka andrianina, na mandoa homan-tsira. [2.558 #3023]
French translationPourquoi rampez-vous bassement lorsqu' on vous donne des marques d' honneur? Pourquoi cherchez-vous votre vie comme les poules, alors qu' on vous traite en noble? Pourquoi vomissez-vous lorsque vous goûtez la saveur du sel? [2.415 #652]
French interpretationSe disait des gens qui se refusent aux honneurs qu' on leur fait. [2.415 #652]

Index