|
|
|
|

Index

Proverbs : mivonkina

Proverb 1Manao fanahin-tsokina : raha mahazo zavatra dia mivonkina. [2.415 #2299]
French translationL' avare fait comme le hérisson qui se referme lorsqu' il tient quelque chose. [2.415 #2299]
French interpretationIl enfouit son argent. [2.415 #2299]

Proverb 2Mitsotra alina fa mivonkina antoandro toa sokina. [2.558 #2509]
Mitsotra alina, mivonkina antoandro toa sokina. [2.415 #2041]
Mitsotra alina, mivonkona antoandro, toa sokina. [2.653 #1910]
French translationOriginal et fantasque : il s' ouvre la nuit et se ferme le jour, comme le hérisson. [2.415 #2041]

Proverb 3Ny akondro no mivonkina dia toeran-kifandeferana. [2.558 #2843]

Proverb 4Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina. [2.558 #3920]
Sokina mita rano: ny tsy mahay indray no mivonkina. [2.165 #1653]
Sokina mita rano: ny tsy mahay indray no mivonkona. [2.653 #2918]
French translationUn hérisson traversant l' eau: c' est un incapable qui se contracte. [2.165]
French interpretationFaire des efforts, comme si on ne savait pas qu' ils sont vains. [2.165]

Proverb 5Tsy mety raha hanao sokina mahazo valala : raha mahazo dia mivonkina. [2.558]
Tsy mety raha manao sokina nahazo valala : raha mahazo, dia mivonkina. [2.653]

Proverb 6Tsy mety raha manao fiainan-tsokina, ka vao voatohina kely dia mivonkina. [2.558 #4615]

Proverb 7Tsy misy na inona na inona ohatra ny totohondrin' Ikotomanana, raha vao mivonkina toa hahafaty omby, fa nony mamely, tsy mahafaty akohokely. [2.558]
Tsy misy na inona na inona, ohatra ny totohondrin’ Ikotomanana: raha vao mivonkina, toa hahafaty omby ; nefa nony mamely, tsy mahafaty akohokely akory. [2.653]

Index