|
|
|
|

Entry1  manao
Part of speech  2  active verb
Explanations in Malagasy  3  [1.1] Mamorona zavatra vaovao: I Denis Papin no nanao ny masinina mandeha amin' ny herin' ny etona
Mahary, mampisy ny tsy misy: Andriamanitra no nanao izao tontolo izao
Manamboatra, manangana, mandrafitra: Nanao trano any ambanivohitra izahay ~ Manao latabatra
Mikarakara sy mahavita, manatanteraka asa iray: Aoka samy hanao ny adidiny ~ Tsy hanao izany tetika amporisihinao izany aho na homenao vola be aza
Miteny, milaza: Dia hoy Andrianampoinimerina nanao hoe: "Ny ranomasina no valampariako"
Milatsaka, mirotsaka amin' ny raharahairay: Nanao dokotera ny zokiko
Mihevitra: Manao ahy ho badolahy manko ianao
Mikasa, mitetika: Nanao handeha rahariva izy
Mitondra (akanjo, fitafiana na haingo) eny amin' ny tena: Tonga nitady anao teo ilay olona manao solomaso mainty iny
Mametraka: Iza no nanao ny kofafa teto ambony latabatra?
Explanations in English  4  [1.7] to do, to act; to think
Explanations in French  5  [1.8] faire, agir; penser
Root  6  tao
Morphology 
7  Present :
8  Past :
9  Future :
10  Imperative :
Analogs  11  manao tokoa, manao dia manao, mimaso, tsy mivandy, tsy manamohamo, tsy mihambahamba, mikatroka, somokotra, jenitra, miala nenina, miady fo, miotrikotrika, mimokitra, mamono masoandro
Compound words 
Titles  448  Malgache – Manao ahoana (Rajaobelina Prosper)
Proverbs  449  Proverbs containing the word manao

Anagrams  450  amona-, amona, aoman, manao, manoa, maona, moana, namoa, naoma, omana

Updated on 2025/04/25