|
|
|
|

Index

Proverbs : zanahary

Proverb 1Akora latsaka an-drano : mandiny Zanahary hamelona. [1.147 #A36]

Proverb 2Andriamanitra tsy omen-tsininy, Zanahary tsy omem-pondro, fa ny olombelona no be siasia. [2.415, 2.558]
Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro ; fa ny olombelona no be siasia. [2.653 #206, 2.974 #50]
French translationDieu est sans reproche, le Créateur est sans malice ; mais c’est l’homme qui ne tient pas en place. [2.974 #50]
En Dieu il n' y a aucune faute, dans le Créateur il n' y a pas de défaut ; c' est aux hommes qu' appartiennent les fautes et les erreurs. [2.415 #12]

Proverb 3Be Zanahary. [2.415 #71]
French translationProtégé par Dieu. [2.415 #71]
French interpretationCelui qui est protégé par les amulettes échappe au danger. [2.415 #71]

Proverb 4E! Andriamanitra nahary tongotra aman-tanana. [2.415 #25]
Zanahary nahary tongotra aman-tanana. [2.415 #25]
French translationÔ Dieu qui nous avez créés, pieds et mains. [2.415]

Proverb 5Fatakana volon-dambo; tenina volon’ amboa : tsy ny atao, vita, tsy ny alàna, afaka fa Zanahary mandidy. [1.147 #F20]

Proverb 6Lavo an-tany marina, solafaka nomen-tehina : tsy antena namono fa Zanahary. [1.147 #L36]

Proverb 7Ny ampitso tsy mba azo faritana fa an-Janahary. [2.558 #2863]

Proverb 8Ny iray volavolain-Janahary, ny iray volavolain' olombelona. [2.415 #43, 2.653]
French translationDieu en favorise un, les hommes en favorisent un autre. [2.415 #43]
French interpretationLes jugements de Dieu sont différents de ceux des hommes. [2.415 #43]

Proverb 9Ny tany vadiben' i Zahanary: mihary ny velona, manotrona ny maty. [2.415 #45]
Ny tany vadibeny Zanahary: mihary ny velona, manotrona ny maty. [2.653]
Ny tany vadiben-Janahary : mihary ny velona, manotrona ny maty. [2.558 #3263]
French translationLa terre est la première épouse de Dieu : elle nourrit les vivants et les morts, elle les serre dans ses bras. [2.415 #45]
French interpretationCe proverbe sakalava était fort connu en Imerina ; comparaison avec la première femme d'un polygame : c' était elle qui avait soin des biens de la maison. [2.415 #45]

Proverb 10Petak' orona sy dondon-kandrina : ny iray iva tsy anomezan-tsiny, ny iray avo tsy anomezam-pondro, fa izay vitan-Janahary ifaliana. [2.558 #3491]

Proverb 11Ranomason-Janahary ny harena : zay ilatsahany mahazo anazy. [1.147 #R37]

Proverb 12Tarehy ratsy nataon-Janahary, ka tsy vanon-kisaronan-doha. [2.415 #54, 2.558 #4105, 2.653 #3043, 2.165]
Tarehy ratsy nataon-Janahary, ka tsy vanon-kisaron-doha. [2.415 #54]
French translationLa personne à qui Dieu a donné une figure trop laide, ne peut pas la cacher. [2.415 #54]
Si le Créateur vous a fait une vilaine figure, il ne sert à rien de vous couvrir la tête. [2.165]
French interpretationIl faut se contenter de ce qu'on a. [2.415 #54]

Proverb 13Valambato nitsindriam-pe : tompony zanaharin’ ny raha. [1.147 #V8]

Proverb 14Vely bingin-dRatentena : anambo tsy ren-Janahary, ambony tany tsy ren' olombelona. [1.147 #V47]

Proverb 15Vita ratsy karaha Zanahary nanano voay. [1.147 #V56]

Proverb 16Zanahary masina, lanitra nasian-tsira : masina ambonin’ ny masina. [1.147 #Z4]

Proverb 17Zanahary ny olombelona : tsy antsonisovam-poana. [1.147 #Z2]

Proverb 18Zanahary tsy mitahy ny vaka. [1.147 #Z3]

Index