|
|
|
|

Index

Proverbs : mitono

Proverb 1Andevolahy mitono jabora, ka levona mbamin' ny lohaliny. [2.165 #1584, 2.415 #525, 2.558 #279]
Ankizilahy mitono jabora ka levona mbamin' ny lohaliny. []
French translationEsclave qui fait griller de la graisse sur le feu : il fait griller son genou avec la graisse. [2.415 #525]
Un esclave faisant rôtir de la graisse sur le feu: il rôtit son genou avec. [2.165 #1584]

Proverb 2Ilay nitono jorery ka sitrany ahay vaza-mihetsika. [2.558 #1417]

Proverb 3Indray mitono valala. [2.415 #6644]
French translationDistance qu' on parcourt pendant le temps de faire griller des sauterelles. [2.415 #6644]
French interpretationEnviron cinq minutes. [2.415 #6644]

Proverb 4Ingahibe nitono voamaho, azom-pahasahiranana an-trano. [2.558 #1436, 2.165]
Ranalahy nitono voamaho : nahazo saoka an-drano. [1.147 #R19]
Rañalahy nitono voamaho: azon-tsaoka an-draño. [2.165]

Proverb 5Ingorifotsy mifono sahondra, ka bokan' ny nataony. [2.165 #74]
Ingorifotsy mitono sahondra: bokan' ny nataony. [2.653 #1140]
Ingorifotsy nitono sahondra : bokan' ny nataony. [2.558 #1439]
Ingorifotsy nitono sahondra, ka bokan' ny nataony. [2.415 #2002]
French translationIngorifotsy a fait griller des aloès et cela l' a rendu lépreux, car il y avait interdiction. [2.415 #2002]
Une vieille femme qui brûle des fleurs d' aloès: elle devient ainsi lépreuse par son fait (selon l' ancienne croyance malgache). [2.165]
French interpretationTrouver malheur dans sa faute. [2.415 #2002]

Proverb 6Lolofotsy angaha no hitono tena? [2.558 #131]
Lolo fotsy mandoro tena, ka main' ny nahim-pony. [2.415 #6288]
Lolofotsy mandoro tena: main’ ny nahim-pony. [2.653]
Lolo fotsy mitono tena, ka matin' ny nahim-pony. [2.165 #1705, 2.415 #6288]
Lolofotsy mitono tena: main’ ny nahim-pony. [2.974 #266, 2.653]
Lolofotsy nandoro tena, ka matin' ny nahim-pony. [2.558]
Lolofotsy nitono tena, ka matin' ny nahim-pony. [2.558]
Mitono tena tahaky ny lolo. [2.415]
Mitono tena toa lolofotsy. [2.558 #2481, 2.653 #1887, 2.415, 1.1]
Malagasy interpretationMankaha-doza, manao vy very ny aina. [1.1]
French translationComme le papillon blanc qui s’est jeté dans la flamme : il ne périt que par sa propre faute. [2.974 #266]
Papillon qui se brûle à la chandelle : il s' est exposé de lui-même au fèu et à la mort, en s' approchant de la flamme. [2.415 #6288]
Se brûler soi-même, comme le papillon qui se brûle les ailes. [2.415 #4247]
Un papillon blanc qui se brûle (à la chandelle) meurt ainsi par sa propre volonté. [2.165]
French interpretationCe proverbe s' applique à tout mal qu' on a voulu et cherché. [2.165]
Qui aime le danger y périra. [2.415 #6311]
Se disait des gens qui s'exposent à l' amende ou à la mort, pour satisfaire leurs désirs. [2.415 #4247]

Proverb 7Mikoha-tsy fidiny toy ilay nitono sakay. [2.558 #2336]

Proverb 8Mitono manao mantamanta; mahandro manao lozodozotra; ka ny atao ihany no mankarary am-bavafo. [2.165]
Mitono manao mantamanta, mahandro manao lozodozotra : ny atao ihany no mankarary. [2.558 #2480]
Mitono, manao mantamanta; mahandro, manao lozodozotra : ny atao ihany no mankarary am-bava-fo. [2.653]
French translationSi en grillant dans le feu, ou en cuisant dans la marmite, on ne fait cuire qu' à demi, on aura mal à l' estomac par son fait. [2.165]

Proverb 9Mitono vomanga sendra vahiny, ka totofy lavenona tsy ho hitany. [2.558 #2482]
Mitono vomanga sendra vahiny : totofy lavenona tsy ho hitany. [2.415 #4051, 2.653 #1888]
French translationGriller des patates au moment où les étrangers entrent : il faut les couvrir de cendres afin qu' ils ne les voient pas. [2.415 #4051]
French interpretationIl n' y avait que les enfants à faire griller ainsi les patates. [2.415 #4051]

Proverb 10Nahandro angaha no marika sa nitono no mahina ? [2.558 #2655]
Nitono ka mahina, nahandro ka marika : teny malefaka ka mampiherikerika. [2.558 #2797]
Nitono va no mahina, sa nahandro no marika ? [2.653 #2109]

Proverb 11Nitono va no mahina? nahandro va no kaody? [2.165 #1073]
French translationAvez-vous fait rôtir que vous êtes inquiet? avez-vous fait bouillir que vous paraissez effrayé? [2.165]
French interpretationPour comprendre ce proverbe, il faut sous-entendre qu' il s' agit du produit d' un larcin, viande ou autre chose. Un voleur n' est pas tranquille. [2.165]

Proverb 12Raha izy no mahandro patsa, tsy maninon-tsy maninona; fa raha izahay no mba mitono toho, ovany ho mandany laoka. [2.653 #2664]
Raha izy no mahandro patsa, tsy maninon-tsy maninona, fa raha izahay no mitono toho, dia ovany ho mandany laoka. [2.558 #3585]
Raha izy no mahandro patsa, tsy maninon-tsy maninona ; raha izahay no mba mitono toho, ovany ho mandany laoka. [2.415 #4565]
French translationQuand c'est lui qui fait cuire des chevrettes il n'y a rien à dire, mais quand c' est nous qui faisons griller des poissons toho c' est bien différent et il dit que nous gaspillons les met. [2.415 #4565]
French interpretationC' est un égoiste, qui trouve bien ce qu' il fait, et mal ce que font les autres. [2.415 #4565]

Index