|
|
|
|

Index

Proverbs : amponga

Proverb 1Ampongan' Ilaimanarivo, ka ren-tany, ren-danitra. [2.558]
Ampongan' Ilaimanarivo : ren-tany, ren-danitra. [2.415 #2169, 2.653 #155]
French translationTambour du riche : il est entendu du ciel et de la terre. [2.415 #2169]
French interpretationLes plaintes des riches sont entendues. [2.415 #2169]

Proverb 2Ao ny tranobe nihantonan' ny amponga sy ny volombodin-trano nihantonan' ny samoina. [2.558 #332, 2.653 #271]

Proverb 3Ataonao tahaky ny amponga izahay : ny iray tehatehafina ary ny iray havokavohana. [2.415 #5495]
French translationTu fais avec nous comme avec des tambours : sur l' un tu donnes avec la main de petits coups, et sur l' autre tu frappes à grands coups de bâton. [2.415 #5495]
French interpretationPartialité. [2.415 #5495]

Proverb 4Aza atao fively ampongalahy ny havana: ny ambaviny tambatambazana, ny andahiny dobodobohana. [1.1 #71]
Aza atao fively amponga ny havana, ka ny ambaviny tambatambazana toy ny manana anaka, fa ny andahiny dobodobohina ho afa-jaza. [2.558]
Aza atao fively amponga ny havana: ka ny iray ambaviny tambatambazana, ary ny iray kosa andahiny hodobodobohana. [2.165 #225]
Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana, ny iray andahiny dobodobohana. [1.1 #60]
Malagasy interpretationTsy tokony hasiana fiangarana ny fitiavan-kavana. [1.1 #71]
French translationNe faites pas à vos amis comme à un tambour, frappant légèrement sur l' un des côtés, mais très fort sur l' autre. [2.165]

Proverb 5Aza manao antsimbadik' amponga. [2.415 #5251]
French translationNe roulez pas comme un tambour. [2.415 #5251]
French interpretationSe disait des gens mobiles et sans consistance. [2.415 #5251]

Proverb 6Aza manao Tanala mahazo amponga. [2.558 #43, 2.653 #509, 2.165]
Manao Tanala mahazo amponga. [2.415 #2085]
French translationIl en joue toute la journée comme un enfant. Se disait des gens simples. [2.415 #2085]
Ne faites pas comme un Tanala ayant trouvé un tambour. [2.165]
French interpretationFaire comme le Tanala, habitant des forêts, lorsqu'il trouve un tambour. [2.415 #2085]
Il est comme un enfant avec un nouveau fouet et ne cesse de s' en servir. Les Tanala sont une tribu habitant la forêt, dans la partie sud-est du Plateau central. [2.165]

Proverb 7Hianao baka mahay misisika, izaho kirongo tsy azo hidirana; raha mihenjan-ko mahazaka hianao, dia midiridiry ho amponga aho! [2.558 #1319]
Hianao baka mahay misisika, izaho korongo tsy azo hidirana : raha mihenjan-ko mahazaka hianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho. [2.415 #3468, 2.653 #1058]
Raha mihenjan-ko mahazaka ianao, dia mba midiridiry ho amponga kosa aho. [1.1]
Malagasy interpretationTeny ifanaovan' olona roa mifaninana ilazany fa samy manana ny toetra mahakinga azy avy izy ireo ka tsy matahotra ny hifanandrina. [1.1]
French translationVous avez les cornes écartées, propres à donner le coup qui consiste à introduire une corne entre les deux cornes de l' adversaire ; mais moi, j' ai les cornes courbes qui empêchent les vôtres de s' y engager ; si vous prétendez vous raidir comme un câble, je me tends comme un tambour. [2.415 #3468]
French interpretationParoles fières ; elles font allusion aux combats Je taureaux : je ne vous crains pas. [2.415 #3468]

Proverb 8Hianao no dobo solom-pitaratra, felan-tanan' ny ory sy totohondrin' ny osa, ary trano be fihantonan' ny amponga sy dadan' ny maro. [2.558]
Hianao no dobo solom-pitaratra, sy felatanan' ny ory, sy toto-hondrin' ny osa, tranobe fihantonan' ny amponga, dadan' ny maro. [2.415 #812, 2.653 #1061]
French translationVous êtes le réservoir d' eau qui tient lieu de miroir, vous êtes la main des malheureux et le poing des faibles, vous êtes la grande case où le tambour est suspendu, vous êtes le père de beaucoup. [2.415 #812]
French interpretationCes paroles se disaient des protecteurs et des bienfaiteurs. [2.415 #812]

Proverb 9Manam-bady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony; manam-bady ny fohy, mitahiry tapak’ amponga; manam-bady ny lozabe, mitahiry varatra an-drano. [2.653 #1500]
Manam-bady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony; manam-bady ny fohy, mitahiry tapak' amponga; manam-bady ny lozabe, mitahiry varatra an-trano. [2.165]
Manambady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony ; manambady ny fohy, mitahiry tapak' amponga ; manambady ny loza, mitahiry varatra an-trano. [2.415 #1205]
French translationCelui qui épouse une femme grande, n' a plus besoin d' emprunter une échelle; celui qui épouse une femme courte, a un tambour sous la main; celui qui épouse une femme violente, a la foudre chez lui. [2.165]
Épouser une femme grande, c' est n'avoir plus besoin d' emprunter une échelle ; épouser une petite, c' est conserver la moitié d' un tambour ; épouser une méchante, c' est garder la foudre dans sa maison. [2.415 #1205]

Proverb 10Mandihy tsy amin' amponga. [2.415 #5554]
French translationDanser sans tambour, ou sans s'accorder avec le tambour. [2.415 #5554]
French interpretationSe disait d'une joie sans motif ; et aussi de ce qui arrive trop tard. [2.415 #5554]

Proverb 11Ny kibo amponga, ka ny henjana no maneno. [2.415 #4054]
Ny kibo tahaka ny amponga : raha henjanina maneno. [2.558 #196]
Ny kibo toy ny amponga, ka raha henjanina maneno. [2.165 #1988]
Ny kibo toy ny amponga: raha henjanina, maneno. [2.653 #2285]
French translationLe ventre est comme un tambour, et quand il est tendu, il résonne. [2.165]
Ventre est comme tambour : quand il est bien tendu il résonne bien. [2.415 #4054]
French interpretationCe proverbe était dit par les invités bien rassasiés, pour remercier le maître de la maison. [2.415 #4054]
Ce qui veut dire que quand on a bien mangé, on est fort, on peut travailler. [2.165]

Proverb 12Varotra amponga an-tanàna, ka sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny. [2.558 #4868]
Varotra amponga an-tanàna: sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny. [2.165]
French translationCelui qui vend un tambour dans son village même: il emploie l' argent, et en entend encore le son. [2.165]
French interpretationDouble bénéfice! [2.165]

Proverb 13Vely amponga no tsy ory sahala, voro-dambamena no samy manana. [2.558 #4925, 2.653 #3660]

Index