|
|
|
|

Entry (1/4)1  tany
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  [1.1] Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly
Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka
Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina
Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana
Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo
Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra
Explanations in English  4  [1.7] earth, soil, land; a country, a nation
Explanations in French  5  [1.8] terre, sol; pays, nation
6  [1.13] terre, sol, terrain
Vocabulary  7  Geography: (in general)
Analogs  8  tanimanga, tanimangampoza, taniravo
Compound words 
Zoonyms 
Phytonyms 
Ethnonyms 
Toponyms 
Titles  218  Mifalia ny tany mamiko (Rakoto Odeam)
219  Mitaraina ny tany (Andry Andraina)
Proverbs  220  Proverbs containing the word tany

Entry (2/4)221  tany
Elementary words  222  t~, any
Part of speech  223  adverb, past form [Full list]
Explanations in Malagasy  224  [1.1] Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina
Examples  225  na tany aho na tsy tany
tsy ho kely be nenina moa hianao?
[2.131]
Compound words 

Entry (3/4)230  tany
Part of speech  231  adverb [Full list]
Explanations in Malagasy  232  [1.1] Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho

Entry (4/4)233  tany
Part of speech  234  noun
Explanations in Malagasy  235  [1.78] [Bara] [tañy] tomany, fitomany, fitomaniana
236  [1.78] [Sihanaka] [tañy] ranomaso, tomany
237  [1.78] [Tanala] [tañy] tany, fitomaniana
238  [1.1] ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa
Explanations in French  239  [1.3] les larmes, les pleurs, les gémissements
regret
240  [1.405] [Sakalava-Mayotte] [tañy] pleur
Derivatives 
241  Passive verbs :
Synonyms  242  tañe
Proverbs  243  Proverbs containing the word tany

Anagrams  244  anty, atin, itan, nita, ntia, tany, tian

Updated on 2023/06/06