|
|
|
|

Entry1  pitikilangy
Part of speech  2  noun
Vocabulary  3  Music: instruments
Explanations in Malagasy  4  Zavamaneno mitovitovy amin' ny jejilava sy ny amponga tany; toy izao no fanaovana azy: mandavaka sahabo ho roan-jehy, tokony ho antonona ny totohondry ny vava lavaka, fa lehibe kosa ny ao anatiny dia asiana rakotra tain' omby maina na hodi-kazo maina ny lavaka; misy tsato-kazo tokony ho antsasa-metatra eo anilany, ary amin' ny tahon-kazo iny no misy ny tadiny izay miditra eo afovoan' ny rakotra ka ny tongotra no manindry ilay sarondavaka; pehina amin' ny tsora-kazo kely iny tadiny iny rehefa mihenjana ary mahavita feo avo na iva araka ny fanenjanana ilay tady izay afolaky ny tanana havia [1.1]
hyperonym 
Co-hyponyms 

Updated on 2023/03/19