|
|
|
|

Index

Proverbs : marina

Proverb 1Bala mahatra ny marina ka tsy atifitra toloho []

Proverb 2Fanafodin’ ny osa, ny marina atao. [2.558 #1071, 2.653 #897]
Fanafodin' ny osa ny marina ataony. [2.165 #92]
Fanafodin' ny osa : ny marina no atao. [2.415 #2945]
French translationIl n' est de meilleur remède pour les petits et les faibles que de toujours demeurer dans le droit chemin. [2.415 #2945]
La défense (litt. médecine) des faibles c' est leur honnêteté. [2.165]

Proverb 3Fisaka ny to malama ny marina []

Proverb 4Lavo an-tany marina, solafaka nomen-tehina : tsy antena namono fa Zanahary. [1.147 #L36]

Proverb 5Loza enti-mody ny marina tsy ambara havana. [2.558 #1813]
Loza enti-mody ny rariny tsy ambara havana. [2.415 #1090, 2.653]
French translationLa vérité qu' on ne communique pas aux parents, c' est un malheur qu' on rapporte chez soi. [2.415 #1090]
French interpretationIl faut tout traiter en famille. [2.415 #1090]

Proverb 6Mahagaga ny marina, fa ny taim-borontsiloza avy no tsy ambara havana. [2.558 #1841]

Proverb 7Mandringa kely ila : manao rarangy am-pidinana, fa mikolepaka an-tany marina. [2.415 #1651, 2.558 #138, 2.653]
French translationBoiteux qui a une jambe atrophiée : il va au pas de course dans les descentes, mais dans un terrain plat il va clopin-clopant. [2.415]
French interpretationRéussir dans une chose difficile et ne pas réussir dans une autre plus facile. [2.415 #1651]

Proverb 8Marina atao am-botraika ka very an-tsasany. [2.558 #2136]

Proverb 9Marina izany ahy izany. [2.415 #6365]
French translationC' est moi qui ai raison. [2.415 #6365]
French interpretationParoles d' entêtement. [2.415 #6365]

Proverb 10Mariry ny marina, fisaka ny to. [1.147 #M2]

Proverb 11Mpiasa be miasa famoloana : mifamadika samy marina. [2.415 #3279, 2.558 #2610, 2.653 #1978]
French translationHomme simple qui laboure une aire : c' est un homme droit qui retourne ce qui est droit. [2.415 #3279]
French interpretationSe faire tort entre hommes de bien. [2.415 #3279]

Proverb 12Na tsy hino aza ny olona, ny marina ve hafenina! [2.558]

Proverb 13Ny manana ny marina : akanjon-goaika ny azy. [2.415 #3391]
French translationCeux qui ont pour eux la justice, ceux dont le droit est évident, leur affaire est claire et se voit immédiatement comme le collier blanc du corbeau. [2.415 #3391]

Proverb 14Ny marina ankanifisana raha tsy tsikeraina tsy hita []

Proverb 15Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra. [1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny halehiben' ny fahaizana miteny sy mandahatra ka izay tsy mahazava sy manohana ny marina ananany dia mety ho resin' ny lainga voalahatra amin' ny teny mirindra tsara. [1.1]

Proverb 16Ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro []

Proverb 17Ny marina toy ny ketsa an-doharano : tomaratra maraina, mavana hariva. [2.558]

Proverb 18Ny marina toy ny ombalahy aronjina : na mivena aza tsy folaka. [2.558]

Proverb 19Ny marina toy ny trondro vaventy ka tsy hita raha tsy amin’ny lalina []

Proverb 20Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo, ka tsy maty fa malazo. [2.558 #3126]
Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo, tsy maty fa malazo. [2.415 #2966, 2.165]
Toy ny tsiriry anaty harefo : malazo fa tsy maty. [2.415 #6388]
French translationC' est comme l' herbe tsiriry au milieux des joncs harefo : elle est sèche mais elle n' est pas morte. [2.415 #6388]
Les hommes justes sont comme l' herbe tsiriry au milieu des joncs : ils ne meurent pas, il ne font que se faner. [2.415 #2966]
Les justes sont comme l' herbe "tsiriry" au milieu des joncs: ils ne périssent pas, mais se fanent seulement. [2.165]
French interpretationCette herbe est très vivace. Se disait des gens opiniâtres. [2.415 #6388]

Proverb 21Ny marina tsy mba maty []
Tsy maty ny marina. [2.415 #2980]
French translationLe juste ne meurt pas. [2.415 #2980]

Proverb 22Ny olo-marina ohatra ny vato lava sorona: izay ametrahana azy mety avokoa. [2.653]
Ny olo-marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy mety avokoa. [2.558]
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa. [2.165]
French translationLes gens honnêtes sont comme une pierre longue servant aux sacrifices: on peut la placer n' importe où, elle exerce toujours son influence. [2.165 #101]

Proverb 23Ny olo-marina tahaka ny vato lava sorona ka izay hametrahana azy marina avokoa []

Proverb 24Ny olo-marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay. [2.415 #2968]
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana: tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay. [2.165]
French translationGens honnêtes : ils sont comme les taureaux que l' on pousse au combat : pas vaincus aujourd' hui, jamais tués. [2.415 #2968]
Les honnêtes gens sont comme les taureaux que l' on pousse dans le combat: ils ne sont pas vaincus aujourd' hui, et ils ne sont jamais tués. [2.165]

Proverb 25Ny olona no miady ny marina no aolaka []

Proverb 26Ny teny marina ohatra ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana. [2.165]
Ny teny marina ohatra ny fia-pary lava : tsy lany hainamiana. [2.974]
Ny teny marina ohatra ny fia-pary lava: tsy lany hamamiana. [2.653]
Ny teny marina ohatra ny fia-pary lava vany, ka na lava aza tsy lany hamamiana. [2.558]
French translationLes paroles sages sont comme la canne à sucre qu’on ne cesse de sucer: la saveur n’en peut être épuisée. [2.974 #203]
Les paroles vraies sont comme la canne à sucre que l'on mâche: quoiqu' elle soit longue, elle est douce partout. [2.165]

Proverb 27Ny tola-paditra zava-mahery, fa ny marina mahery kokoa. [2.558 #3309]

Proverb 28Teny zato, kabary arivo; fa iray ihany no marina. [2.165 #454]
Teny zato, kabary arivo, tokana ihany ny marina []
French translationCent paroles, mille discours; un seul est vrai. [2.165 #454]

Proverb 29Tokin’aina ny marina atao []

Proverb 30Toko fohatra, vilany mitongilana : izay tsy marina arenina. [2.415 #3518]
Toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety arenina. [2.558 #4160, 2.653 #3109]
Toko tapaka, vilany mitongilana, ka izay tsy mety arenina. [2.165 #153, 2.415 #3072]
French translationPierres du foyer brisées, marmite renversée : il faut redresser ce qui n' est pas bien. [2.415 #3072]
Pierres du foyer qui ne sont pas affermies, marmite qui est inclinée : il faut redresser ce qui n' est pas droit. [2.415 #3518]
Un trépied brisé, une marmite qui penche: on peut remettre d' aplomb ce qui ne l' est pas. [2.165]
French interpretationIl faut corriger ce qui n' est pas bien. [2.415 #3072]
Se disait des torts à redresser, des querelles à arranger. [2.415 #3518]

Proverb 31Vatsy tsy miohatra ny marina, soa tsy miohatra ny vola. [2.558]

Proverb 32Zovin' ny mpiambina : mahamamy ny torimason' ny marina. [2.558 #5107]

Index