|
|
|
|

Index

Proverbs : lambo

Proverb 1Aza manantena lambo hiakatra, ka tsy midina any an-ala. [2.165 #693]
Manantena lambo biakatra, ka tsy midina any an-ala. [2.653 #1517]
Manantena lambo hiakatra, ka tsy midina any an' ala. [2.415 #5855]
Nanantena lambo hiakatra ka tsy nidina an' ala. [2.558 #2741]
French translationIl attend que le sanglier vienne, au lieu de descendre le chercher dans la forêt. [2.415 #5855]
N' espérez pas voir le sanglier monter tout seul vers vous, alors que vous ne voulez pas aller dans la forêt (pour l' y chasser). [2.165]
French interpretationProverbe analogue au français : attendre que les cailles rôties tombent dans la bouche. [2.415 #5855]

Proverb 2Aza manome voan-dambo. [2.558 #695]
Aza manome voan-dambo ny sasany. [2.653 #588]

Proverb 3Dian-dambo, ka izay alehan-tanany no alehan-tongony. [2.415 #1501, 2.165]
Dian' omby ka ny alehan-tanany no alehan-tongony. [2.558]
French translationLa marche d' un sanglier: où passent ses pieds de devant, passent aussi ses pieds de derrière. [2.165]
Marche de sanglier : où les pieds de devant passent, les pieds de derrière passent aussi. [2.415 #1501]
French interpretationCe que les parents font, les enfants le font aussi. [2.165]
Tel père tel fils. [2.415 #956]

Proverb 4Fadin-dambo amin' amboa. [2.415 #3075]
Tsy afa-dambo amin' amboa. [2.415 #3075]
French translationCe que les cochons et les chiens ne feraient pas, tant c' est exécrable. [2.415 #3075]

Proverb 5Fatakana volon-dambo; tenina volon’ amboa : tsy ny atao, vita, tsy ny alàna, afaka fa Zanahary mandidy. [1.147 #F20]

Proverb 6Kary finanjike, lambo marimarike. [1.68]
French translationChat sauvage à qui on tend un piège, le sanglier se méfie. [1.68]

Proverb 7Lambo an’ ala vahatra an’ ala : izy fokony tsy famola-kongotra. [1.147 #L13]
Lambo añ-ala, vahatra añ-ala; izy mihavana tsy famolak' ongotra. [2.165]
Malagasy interpretationNy lambo any an-ala, ny vahatra (vahatra hazo) any an-ala, mpihavana izy ka tsy hifamola-tongotra. [2.165]

Proverb 8Lambo anosim-bendrana : matin’ ny tokotany voazara. [1.147 #L14]

Proverb 9Lambo harantana : miriorio tsy mahavaky vontaka. [1.147 #L9]

Proverb 10Lambolahy mandry anaty akondro, ka main' ny nahiny. [2.415 #6285]
Lambolahy mifono raty ka main' ny nataony. [2.165]
Lambolahy mifono raty : main' ny ataony. [2.415 #6000, 2.558 #118, 2.653 #1316]
French translationSanglier qui dort sous les bananiers : c' est de sa faute s' il est brûlé avec les bananiers, lorsqu' on met le feu à la colline. [2.415 #6285]
Sanglier qui se cache sous l'écorce sèche de bananier : c'est de sa faute s' il est brûlé avec elle. [2.415 #6000]
Si un sanglier va se fourrer dans l' écorce sèche des bananiers, il sera brûlé par son fait (quand le feu s' y mettra). [2.165]
French interpretationQui s'expose au danger y périra. [2.415 #6335]

Proverb 11Lambolahy mangery vato rao : vodivodian-tay mena. [1.147 #L21]

Proverb 12Lambolahy mihotahota vony : izay mainty tsinay marin-dia. [2.558 #1716]
Lambolahy nihotahota vony: izay mainty tsinay marin-dia. [2.653 #1318]

Proverb 13Lambolahy mitsako moka: sitrany ahay izay vaza-mihetsika. [2.653 #1317]
Lambolahy mitsako moka: sitrany ahay vaza-mihetsika. [2.558 #1715, 1.1]
Lambolahy nitsako moka, ka sitrany ahay izay vaza-mihetsika. [2.165 #1446]
Lambo mitsako moka, ka sitrany ahay vaza-mihetsika. [1.1]
Malagasy interpretationIzany hoe hararaotina izay hita, na dia kely dia kely aza, fa aleo homana kely toy izay handry fotsy. [1.1]
Mifaly amin' ny kely hita ambara-pahazo izay tadiavina, aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy. [1.1]
French translationUn sanglier ayant mâché un moustique: mieux ça que rien. [2.165]

Proverb 14Lambolahy niandra voatamà : alin’ andro foana. [1.147 #L20]

Proverb 15Lambolahy niseram-bero: tsy himpody, fa handroso. [2.415 #6287, 2.558 #1717, 2.653 #1319]
French translationSanglier qui traverse une forêt de longues herbes vero : il ne rebroussera pas chemin, mais il avancera. [2.415 #6287]
French interpretationSe disait des gens qui vont à travers tout. [2.415 #6287]

Proverb 16Lambolahy nitevy akondro : raha nitivesina lavo, izy nilefa. [1.147 #L16]

Proverb 17Lambolahy tsy miava saona; amboalahy tsy mondan-kena. [1.147 #L11]

Proverb 18Lambo mampandihy zanaka ka ny an' ny tena tsy mba ratsy. [2.558 #1718]

Proverb 19Lambo mandom-boara ka ny tsy mandona no voky. [2.558 #1719, 2.653 #1313]

Proverb 20Lambo mandom-boara : miraingiraingy amin' ny ho hanin' ny ankizy. [2.558 #1720]

Proverb 21Lambo mitoto-bozaka : tsy mahita ny ora-manelatra. [2.415 #4239, 2.558 #1721, 2.653 #1314]
French translationSanglier qui se tapit sous les herbes : il ne voit pas l' orage précédé d' éclairs. [2.415 #4239]
French interpretationSe disait du coupable qui ne voit pas le châtiment imminent. [2.415 #4239]

Proverb 22Lambo nandeha, vato nivaringarina : mandehana fa samy ratsy. [1.147]

Proverb 23Lambo nandia hosy : manaraka ny efa, tongotra avy nisasàna manaraka ny madio. [1.147 #L7]

Proverb 24Lambo nanenji-borona, ka nangaihay nony nilaozany eny an-tendron-kazo. [2.558 #1722]

Proverb 25Lambo nangere an-tanimena ka tsy hay nja mangere ra. [1.68]
French translationSanglier qui crotte sur la terre rouge, on ne sait pas s'il fait du sang. [1.68]

Proverb 26Lambon-dRatsikonkona : sady tsy mora tsy miady. [1.147 #L8]

Proverb 27Lambo niharo amin’ angatra : niharo ny raha samy raha. [1.147 #L19]

Proverb 28Lambo nihinam-bary : tritry manefa. [1.147 #L17]

Proverb 29Lambo nihànana : laha teto ny lalina. [1.147 #L10]

Proverb 30Lambo nioroka : takotr’ efa. [1.147 #L12]

Proverb 31Lambo rava tsy manangan-tohatra. [1.147 #L6]

Proverb 32Lambo rava tsy manoron-tsihy. [1.147 #L6]

Proverb 33Lambo soso-nify ka nentim-paharazana. [2.165 #143, 2.415 #325, 1.1]
Lambo soso-nify; nentim-paharazana. [2.653, 1.1]
Malagasy interpretationEnti-milaza ny zanaka na taranaka manahaka ireo ray aman-dreniny eo amin' ny toetra na fomba nolovana taminy. [1.1]
Enti-milaza toetra nananana hatry ny ela, nolovana tamin' ny razana. [1.1]
French translationLes usages transmis de génération en génération, c' est comme des sangliers qui ont des surdents. [2.415 #325]
Un sanglier qui a des surdents: elles lui viennent de ses ancêtres. [2.165 #143]

Proverb 34Manao firañetañi ty ajañi alika, mifioke alika mbato, mibabe lambo mbaroa. [1.68]
French translationFaire comme l'amitié des chiots, siffler le chien par ici, porter sur le dos un sanglier par là-bas. [1.68]
French interpretationQuand on est riche, on a beaucoup d'amis. [1.68]

Proverb 35Manao lala raike nihitan-dambo. [1.68]
French translationEmprunter le même chemin que le sanglier. [1.68]
French interpretationChose invariable. [1.68]

Proverb 36Manenji-dambo alina : manasa anazy mody. [1.147 #M39]
Manenji-dambo hariva ka maniraka azy hody. [2.558 #2097]
Manenji-dambo hariva: maniraka azy hody. [2.415 #3031, 2.653 #1609, 2.165]
French translationPoursuivre le soir un sanglier, c' est le renvoyer chez lui. [2.415 #3031]
Poursuivre un sanglier le soir ne sert qu' à le faire rentrer dans son repaire (litt. le renvoyer chez lui). [2.165]
French interpretationSe disait des fainéants et des mauvais sujets. [2.415 #3031]

Proverb 37Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ny ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa. [2.165 #806]
Tsy misy henjana hoatry ny lambo : fa raha mahita ny ampombo, miketraka ho kisoa. [2.415 #4636]
Tsy misy henjana ohatra ny lambo, fa raha mahita ny ampombo miketraka ho kisoa. [2.653, 2.558]
French translationIl n' y a pas d' animal aussi vigoureux que le sanglier ; mais quand il voit du son, il s' amollit comme un porc. [2.415 #4636]
Se vanter d' être un sanglier, puis, en voyant le son pâteux, descendre au rang de truie (en le mangeant, comme un porc domestique). [2.165 #806]
French interpretationLes passions et l' intérêt amollissent. [2.415 #4636]

Proverb 38Miritirity ho lambo sa miketraka ho kisoa? [2.653 #1819, 2.558]

Proverb 39Ny hanoanana no mahavery lambo. [2.415 #2544]
French translationC' est la faim qui cause la perte du sanglier. [2.415 #2544]
French interpretationLa faim est mauvaise conseillère. [2.415 #2544]

Proverb 40Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na mibarareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangani-bovona ho lambo aza, tsy miala, fa osy ihany. [2.653]
Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na miharareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangam-bovona ho lambo aza, tsy miala fa osy ihany. [2.974]
Ny osy : Na mitsangan-tandroka ho omby, na mibarareoka ho ondry, na midingin-drambo ho alika, na manangam-bovona ho lambo, na maniry somotra ho olona, dia tsy miala fa osy ihany. [2.558 #3207]
French translationLa chèvre a beau avoir des cornes comme le bœuf, bêler comme le mouton, avoir une barbe comme l’homme, une queue comme le chien, une crinière comme le sanglier, elle restera toujours une chèvre. [2.974 #159]

Proverb 41Raha ny kisoa taman-trano aza voafatotra, mainka fa ny lambo nahamaodimaody ? [2.558 #3636]
Raha ny kisoa taman-trano aza voafatotra, mainka ny lambo-dia tsy ho maody ? [2.653 #2703]

Proverb 42Raha torahana ny kisoa, mahina ny lambo, raha kapaina ny vondrona mihetsika ny herana. [2.558 #3664]
Raha torahana ny kisoa, mahina ny lambo ; raha kapaina ny vondrona, mihetsiketsika ny herana. [2.653 #2718]

Proverb 43Tafok' oro-dambo nambolian-tsaoña: hila lahateo raha tsy hanjary. [2.165]
Tafok’ oron-dambo nambolian-tsaona : hita raha tsy hanjary. [1.147 #T8]
Tanin-koron-dambo novolen-tsaonjo, hita rahateo fa zavatra tsy hanjary. [2.165]

Proverb 44Tsy amboa tsy lambo. [2.415 #2565]
French translationSans chien ni cochon. [2.415 #2565]
French interpretationCette expression se disait des malheureux, pauvres et solitaires. [2.415 #2565]

Proverb 45Tsy azon' ny olona ny lambo, raha tsy ny alika. [2.415 #5415]
French translationOn ne peut pas prendre le sanglier si l' on n' a pas de chien. [2.415 #5415]
French interpretationOn a souvent besoin d'un plus petit que soi. [2.415 #5415]

Proverb 46Tsy mbola nandia tain-dambo. [2.415 #4032]
Tsy mbola nanitsaka tain-dambo. [2.415 #4032]
French translationQui n' a jamais foulé aux pieds les ordures des sangliers. [2.415 #4032]
French interpretationQui n' a jamais rien vu, ou qui n'est jamais sorti de son pays. [2.415 #4032]

Proverb 47Tsy mety raha mamporisika ny amboa ho firain' ny lambo. [2.415 #3373, 2.558 #4605, 2.653 #3427]
French translationIl ne faut pas exciter les chiens à se faire déchirer par les sangliers. [2.415 #3373]
French interpretationSe disait des gens qui excitaient les autres à faire des procès, pour vivre à leurs dépens. [2.415 #3373]

Proverb 48Tsy ny kisoa horoahina ity, fa ny lambo za-dia. [2.558 #4774]

Proverb 49Tsy nisy nanana hatrany an-kibo, fa oron-dambo, ka hitrongy vao homana. [2.653 #3558, 2.974 #397]
Tsy nisy nanana hatrany an-kibon-dreniny, fa oron-dambo ka mitrongy vao manana. [2.558 #4761]
French translationPersonne n’est riche dès le sein de sa mère ; c’est comme le boutoir du sanglier: il faut fouiller la terre avant de pouvoir subsister. [2.974 #397]

Proverb 50Tsy Tankay aho ka tsy hahalala dian-dambo. [1.1]
Malagasy interpretationOlona mahalala ny ataoko aho. [1.1]

Proverb 51Vatan' oron-dambo, mitrongy vao homana. [2.165 #718, 2.415 #3778]
French translationGroin de sanglier : il fouille la terre avant de manger. [2.415 #3778]
Un marcassin: il fouille la terre avant de manger. [2.165 #718]

Proverb 52Vehivavy tsy mahafaty lambo : amalo-masaka tsy afa-mandeha. [2.415 #1795, 2.558 #4919, 2.653 #3657]
French translationJamais une femme ne tuerait un sanglier, aussi certainement qu' une anguille cuite ne peut plus se sauver. [2.415 #1795]
French interpretationLes hommes parlaient ainsi par fierté. [2.415 #1795]

Proverb 53Voantsira taitra, lambo rava : aza fanarakaraka fa samy ratsy. [1.147 #V78]

Proverb 54Volon-dambo tsy in-droa hita. [1.147 #V91]

Proverb 55Zana-dambo mamindra : tsy hery fa mihafy. [2.165 #909, 2.558 #5079, 2.653 #3757]
French translationUn marcassin marchant: ce n' est pas parce qu' il est fort, mais parce qu' il y est obligé (à cause des chasseurs qui sont à sa poursuite). [2.165]

Index